4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sombim-panampiana - Bessa sy lola

Fa toa ny voninkazo
Maniry an-tany haolo
Mosarenan-dranon'ando
Mbola jejo dia malazo,

Tahak'izany koa
Ny fo tsy manana fitia
Fa velombelom-poana
Tsy misy aina tokoa.

Mba ampandefero
Ity hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
Ilay fitiavan-tenanao o!
Ario izay kaikay masiaka,
Fitiavana asolo ireny.

Raha toa ianao mijaly
Tsy ahitam-pifaliana
Ny fiainam-pahoriana
Inty aho mba hamalifaly.

Henoy izao hira izao
Fampaherezana koa
Aleo am-ponao
Sombim-panampiana koa

Mba ampandefero
Ity hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
Ilay fitiavan-tenanao o!
Ario izay kaikay masika
Fitiavana asolo ireny

Partager sombim-panampiana

Commenter sombim-panampiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite